𝐃𝐑𝐂𝐅 𝐈𝐓𝐀𝐒𝐘 - 𝐕𝐎𝐍𝐃𝐑𝐎𝐌𝐁𝐀𝐇𝐎𝐀𝐊𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐑𝐈𝐓𝐑𝐀 𝐈𝐓𝐒𝐈𝐍𝐉𝐀𝐑𝐀𝐌-𝐏𝐀𝐇𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀 𝑭𝑨𝑹𝑰𝑻𝑹𝑨 𝑰𝑻𝑨𝑺𝒀
Nisy ny fampiofanana ireo mpisehatra mikasika ny teti-bola eny anivon'ny Vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana any amin'ny Faritra Itasy, izay notanterahina ny alatsinainy 11 septambra 2023. Anisan'ireo sampandraharaham-paritra nitondra ny anjara birikiny tamin'izany ny avy ao amin'ny Délégation Régionale du Contrôle Financier #DRCF_ITASY , tamin'ny alalan'ny delegem-paritra vaovao, Ramatoa RASOAMANANJARA Zoely Harilala.

Izany fampiofanana izany moa dia niompana indrindra tamin'ny famelabelarana sy fampahatsiahivana tamin'ireo mpandray anjara ireo toromarika ara-teknika mifehy ny fandrafetana ny 'teti-bola miainga amin'ny fandaharan'asa' eny anivon'ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana . Ny teti-bola manaraka ny fenitra napetraka eo amin'ny lafin'ny fitantanam-bolam-panjakana dia antoky ny fampandrosoana ifotony eny anivon'ny faritra tsirairay.

