DRCF - 𝐂𝐥𝐮𝐛 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏)
Ny 𝐃𝐞𝐥𝐞𝐠𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 🇲🇬 | 𝐃é𝐥é𝐠𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞𝐬 𝐝𝐮 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 (𝐃𝐑𝐂𝐅) dia mandray anjara feno tsy tapaka amin'ny fivorian'ny 𝐕𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧𝐚 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 | 𝐂𝐥𝐮𝐛 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏) izay fotoana ihaonana amin'ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana isam-paritra.
👉 Ny alakamisy 29 febroary 2024 teo no notanterahina tao amin'ny 'Plan Anosy' ny fivorian'ny 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐀𝐍𝐀𝐋𝐀𝐌𝐀𝐍𝐆𝐀. Nandray anjara tamin'izany ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier Analamanga, Contrôleur d'Etat RAKOTOARISOA Odilon, sy ny mpiara-miasa aminy.

👉 Ny zoma 1 martsa 2024 teo kosa ny fivorian''ny 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐍𝐀𝐍𝐀𝐍𝐀 izay notanterahina tao amin'ny efitrano malalaky ny faritra Atsinanana. Nandray anjara tamin'izany ny delegem-paritry ny Contrôle Financier Atsinanana, Inspecteur d'Etat RALAIMIDONA Rijanirina Herman, sy ny mpiara-miasa aminy.

Marihina fa samy niompana tamin'ny Toro-làlana momba ny Fanatanterahana ny Teti-bola 2024 na 'Circulaire d'Execution Budgétaire' 2024 ireo fivorian'ny CRGP faritra Analamanga sy Atsinanana ireo.
Manamarika hatrany ny fivorian'ny CRGP moa ny famaliana ireo fanontaniana samihafa avy amin'ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana.

