DRCF - 𝐂𝐥𝐮𝐛 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏)
👥 Akon'ny fandraisan'anjaran'ireo 𝐃𝐞𝐥𝐞𝐠𝐚𝐬𝐢𝐨𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 | 𝐃é𝐥é𝐠𝐚𝐭𝐢𝐨𝐧𝐬 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥𝐞𝐬 𝐝𝐮 𝐂𝐨𝐧𝐭𝐫ô𝐥𝐞 𝐅𝐢𝐧𝐚𝐧𝐜𝐢𝐞𝐫 (𝐃𝐑𝐂𝐅) amin'ny fivorian'ny 𝐕𝐨𝐧𝐝𝐫𝐨𝐧𝐚 𝐈𝐫𝐚𝐢𝐬𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐫𝐢𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐨𝐦𝐛𝐚 𝐧𝐲 𝐅𝐢𝐭𝐚𝐧𝐭𝐚𝐧𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐧𝐣𝐚𝐤𝐚𝐧𝐚 | 𝐂𝐥𝐮𝐛 𝐑é𝐠𝐢𝐨𝐧𝐚𝐥 𝐝𝐞 𝐥𝐚 𝐆𝐞𝐬𝐭𝐢𝐨𝐧 𝐏𝐮𝐛𝐥𝐢𝐪𝐮𝐞 (𝐂𝐑𝐆𝐏) izay fotoana nihaonana tamin'ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana isam-paritra ary samy niompana amin'ny ankapobeny tamin'ny famelabelarana ny Toro-làlana momba ny Fanatanterahana ny Teti-bola 2024 na ny 'Circulaire d'Exécution Budgétaire' 2024

👉 𝚝𝚊𝚕𝚊𝚝𝚊 𝟻 𝚖𝚊𝚛𝚝𝚜𝚊 𝟸𝟶𝟸𝟺, 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐀𝐍𝐎𝐒𝐘. Nandray anjara tamin'izany ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier ANOSY, Andriamatoa RANAIVOJAONA Solo, sy ireo mpiara-miasa aminy.

👉 𝚝𝚊𝚕𝚊𝚝𝚊 𝟷𝟸 𝚖𝚊𝚛𝚝𝚜𝚊, 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐅𝐈𝐓𝐎𝐕𝐈𝐍𝐀𝐍𝐘. Nandray anjara tamin'izany ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier FITOVINANY, Andriamatoa RAVELOJAONA Mamy Lalaina, sy ireo mpiara-miasa aminy.

👉 𝚝𝚊𝚕𝚊𝚝𝚊 𝟷𝟿 𝚖𝚊𝚛𝚝𝚜𝚊, 𝐂𝐑𝐆𝐏 𝐀𝐓𝐒𝐈𝐌𝐎 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐄𝐅𝐀𝐍𝐀. Nandray anjara tamin'izany ny Delegem-paritry ny Contrôle Financier ATSIMO ANDREFANA, Andriamatoa TATA Fulgence, sy ireo mpiara-miasa aminy.
Nisy hatrany ny famaliana ireo fanontaniana samihafa mahakasika ny asan'ny Direction Générale du Contrôle Financier Madagascar avy amin'ireo mpisehatra amin'ny fitantanam-bolam-panjakana tonga marobe nanatrika ny fotoana.

