FIMFAV
FIKAMBANAN’NY MPIARA-MIASA ETO AMIN’NY FANARAHA-MASO NY VOLAM-PANJAKANA (FIMFAV)
FAMPIDIRANA Niverina nitsangana tamin’ny 28 jona 2016, tao amin’ny biraon’ ny sampan-draharaha mpanara-maso ny volam-panjakana, « immeuble Loharanontsoa II» Faravohitra, ny FIkambanan’ny Mpiara-miasa eto amin’ny FAnaraha-maso ny Volam-panjakana na antsoina hoe : FIMFAV. Izany dia noho ny tolo-kevitra nomen’ny tale Jeneraly vaovao sy ny hetahetan’ny mpiara-miasa hamerina indray ny laza tsara nananan’izany fikambanana izany. Natao ny fifidianana ny birao hitondra ny fikambanana ary nandray ny asany avy hatrany ireo voafidy. Ny fidirana ho mpikambana dia an-tsitrapo tanteraka. Ny birao dia natao hanatanteraka ny hetahetan’ny mpiasa izay nampitaina tamin’ireo « Antennes », solon-tena isaky ny « Délégation » na « Service » misy eto amin’ny Sampandraharaha mpanaramaso ny volam- panjakana nefa tsy mivaona amin’ny Sata mifehy sy ny fitsipika anatin’ny fikambanana. Mirary fiaraha-miasa amintsika rehetra ny birao mba ahafahany mampiroborobo ity fikambanantsika ity. IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY BIRAO Filoha : RAMANGASON Iharantsoa Zoela Filoha lefitra : TSARAFARA Christian Yvon Mpitam-bola :RABESIHANAKA Mireille Mpitan-tsoratra ara-bola : RAVIVATIANA Leticia Maryse Mpitan-tsoratra : RABEARISON Brigite / RATSIMBAZAFY Tiana Josée Mpanolo-tsaina :RAFANOMEZANA Naomy / RASOLOFONARIVO Tsilavina Mpanamarim-bola : : MAMINJOARY Mirindra / HERY TIANARIVOATRA Rabary Serasera :RANDRIARISOA Mamitiana